1 Ary taminny andro nanjakani Ahasoerosy (ity Ahasoerosy ity ilay nanjaka hatrany India ka hatrany Etiopia, ka nizarazara ho fito amby roa-polo amby zato toko ny fanjakany), 

2 dia taminizany andro izany, raha nipetraka teo amboninny seza fiandrianianny fanjakany, izay tany Sosana renivohitra, Ahasoerosy mpanjaka, 

3 taminny taona fahatelo nanjakany, dia nanao fanasana ho anny mpanapaka sy ny mpanompony rehetra izy; Ary teo anatrehany koa ny lehibenny miaramilani Persia sy Media sy ny mpanapaka mbaminireo komandinny isan-tokony aminny fanjakany; 

4 Ary nasehony andro maro, dia ny valo-polo amby zato andro, ny harena amam-boninahitry ny fanjakany Ary ny tabiha sy rehareha momba ny fahelehibiazany.

5 Ary rehefa tapitra izany andro izany, ny olona rehetra izay tany Sosana renivohitra, na lehibe na kely, dia nanaovanny mpanjaka fanasana naharitra hafitoana teo aminny kianjanny tanimbolinny tranonny mpanjaka; 

6 Ary nisy lamba fotsy misoratsoratra sy manga nifehy taminny kofehy rongony fotsy sy volomparasy taminny masom-bolafotsy sy tsangantsangany vato marmora fotsy; Ary nisy farafara volamena sy volafotsy teo aminny lampivato alabastara sy marmora tsy sy hara Ary marmora mainty. 

7 Ary ny olona dia nampisotroina taminny kapoaka volamena (samy hafa avokoa ny kapoaka), Ary betsaka ny divainny andriana araka ny fanomenny mpanjaka. 

8 Ary ny nisotroanny olona dia araka ny teninny andriana, ka tsy nisy nanery; fa toy izany no nandidianny mpanjaka ny mpitandrina ny tranony rehetra mba hanaovanny olona araka izay sitrapony avy.

9 Ary Vasty, vadinny mpanjaka, dia mba nanao fanasana ho anny vehivavy koa tao aminny tranom-panjakana, izay ani Ahasoerosy mpanjaka. 

10 Ary taminny andro fahafito, nony faly ny fonny mpanjaka azonny divay, dia nomeny teny Mehomana sy Bizta sy Harbona sy Bigta sy Abagta sy Zetara Ary Karakasa, tsindranolahy fito izay nanompo teo anatrehani Ahasoerosy mpanjaka, 

11 Mba hitondra ani Vasty, vadinny mpanjaka, ho eo anatrehanny mpanjaka, misatroka ny satroboninahitry ny fanjakana, mba haseho aminny olona sy ny mpanapaka ny hatsara-tarehiny; fa maha-te-hizaha izy.

12 Fa Vasty vadinny mpanjaka nand ny teninny mpanjaka nentinny tsindranolahy ka tsy nety nankany. Dia tezitra loatra ny mpanjaka, ka nirehitra tao am-pony ny fahatezerany.

13 Dia hoy ny mpanjaka taminny olon-kendry izay mpanandro (toy izany no nanaovana ny raharahanny mpanjaka teo anatrehanizay rehatra nahalala lalna sy fitsarana;

14 Ary teo akaikiny dia Karsena, Setara, Admata, Tarsisy, Maresa, Marsena, Memokana, mpanapaka fito tamini Persia sy Media, izay nahita ny tarehinny mpanjaka ka nipetraka taminny fitoerana aloha teo aminny fanjakana):

15 Ahoana no hanaovana ani Vasty, vadinny mpanjaka, raha araka ny lalna, satria tsy nankato ny didiko, izaho Ahasoerosy mpanjaka, nentinny tsindranolahay izy ?

16 Dia namaly Memokana teo anatrehanny mpanjaka sy ny mpanapaka ka nanao hoe: Tsy taminny mpanjaka sy ny mpanapaka ka nanao hoe: Tsy taminny mpanjaka ihany no nanaovani Vasty, vadinny mpanjaka, izao ratsy izao, fa taminny mpanapaka rehetra koa sy ny vahoaka rehetra isan-tokony eranny fanjakani Ahasoerosy mpanjaka;

17 fa hiely any aminny vehivavy rehetra izao zavatra nataonny vadinny mpanjaka izao, ka hanaovany ny vadiny ho tsinontsinona eo imasony, fa samy hanao hoe: Ahasoerosy mpanjaka aza nandidy ani Vasty vadiny ho entina eo anatrehany, nefa tsy nety izy.

18 Ary na dia aminizao andro izao aza ny andriambavini Persia sy Media, izay mandre ny nataonny vadinny mpanjaka, dia samy hilaza izany aminny mpanapaka rehetra voatendrinny mpanjaka; ka dia ho loza loatra ny famingavingana sy ny faniratsirana.

19 Koa raha sitraky ny mpanjaka, dia aoka hisy didim-panjaka hivoaka avy eto aminny mpanjaka ka hosoratana ao aminny lalni Persia sy Media ka dia tsy hovana, fa tsy hahazo hankeo anatrehani Ahasoerosy mpanjaka intsony Vasty; Ary ny voninahitri Vasty dia aoka homenny mpanjaka ho anizay vehivavy hafa tsara noho izy.

20 Ary raha torina eranny fanjakany rehetra (fa lehibe izany) ny lalnny mpanjaka izay hataony, dia samy hanome voninahitra ny vadiny avy, na lehibe na kely, ny vehivavy rehetra.

21 Dia sitraky ny mpanjaka sy ny mpanapaka izany teny izany; ka dia nanao araka ny tenini Memokana ny mpanjaka, 

22 ka nampitondra taratasy izy ho any aminny isan-tokony araka ny sorany avy, Ary isam-pirenena araka ny fiteniny avy, mba hahatapaka ny ao an-tranony avy ny lehilahy rehetra, Ary samy hiteny araka ny fiteniny avy isam-pirenena.
